Saron’ny zandary Toamasina tao Sarimasina RN2 vao maraim-be ireo tambajotra mpangalatra tariby an’ny Jirama, izay antony mahatonga fahatapahana herinaratra eto Toamasina tato ho ato, ankoatran’ny tsy fahampian’ny herinaratra noho ny fahasimban’ny toby famokarana. Fito lahy izay nahitana zandary iray am-perinasa eto Toamasina iray niaraka tratra tamin’ireto tambajotra voasambotra. Tamin’ny tariby mampitohy an’i Toamasina renivohitra sy ny tapany ao Toamasina II izay misy fanamboarana taorian’ny rivodoza ity tariby nisy nangalatra ity. Tariby an’ny jirama kilometatra maromaro sy ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’izany no tratra teny amin’izy ireo tamin’ny fahatrarana azy. Tamin’ity fahatrarana azy ireo ity, dia nanao fanamiana olon-tsotra ilay mpitandro filaminana voasambotra lasa jiolahy ity. Tsy afaka niala sy nandà intsony ireto olona fito tratra ireto ka avy hatrany dia nosamborina ary nanaovana famotorana teny amin’ny biraon’ny zandary. Avy hatrany dia niala bala ny lehiben’ilay zandary nanao fanamiana olon-tsotra voasambotra ary nilaza fa « samy tompo-marika amin’ny zavatra ataony ankoatra ny asany ny tsirairay ; satria tsy asan’n’ny mpitandro filaminana ny firaisana tsikombakomba amin’ny fahavalom-pirenena izany ». Fantatra koa tamin’ny fanadihadiana natao fa misy mpivarotra vilany mpandehandeha eto Toamasina ireo olona fito tratra ireo, ka noho izany dia ireo viraty na « allumininm » ao anatin’ilay tariby no mahamaika azy ireo.
Nilaza moa ny jirama fa tokony ho tohizana ny ezaka toy izao, fa tena mijaly ny jirama amin’ny fanaraha-maso ny tambajotra vokatra izao halatra taribiany izao. Isan’ny lasibatra matetika amin’izao halatra tariby izao ireo lavitry ny tanana tahaka ny ao amin’ny lalam-pirenena faha-02 iny.
Malala Didier


