Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanana iray tao Mahanoro antsoina hoe Ambalakininina. Jiolahy efatra nanantontosa izany ka ny iray voatifitry ny tompon-trano raha reny ireo jiolahy nikasa hiditra tao aminy. Tokony tany amin’ny 01ora sy 30min tany ho any ilay fanafihana ity mpandraharaha tao Mahanoro ity, izay nandeha moto « zah mbo ngaogna » na ireny moto « Honda » ireny ireto jiolahy. Efa vonona avokoa ny fitaovam-piadiana sy fitaovana ampiasaina amin’ilay vaky trano ho atao, saingy vao nahare olona nikasa hiditra tao aminy ilay mpandraharaha ara-toe-karena tao Mahanoro, dia avy hatrany dia nifitra ka iray no maty fa ny telo hafa namany nitsoaka nitaigina ilay moto « Honda » nentiny. Vao tonga koa ireto jilahy izay samy nanao saron-tava avy, dia nampitandrina ireo tao an-trano, nef aizy ireo indray izao nirifatra nandositra izao noho ilay tomon-trano koa tsy nanaiky lembenana. Efa fatampatan’ny mpitandro filaminana ireto naman’ilay jiolahy maty voatifitra, ka eo am-panarana-dia azy ireo ny mpitandro filaminana, ary tsy tratra izy ireo hoy ireto mpitandro filaminana. Milamina ankehitriny ao Mahanoro na eo aza ireto jiolahy mitondra basy ireto, satria tsy mikoso-maso amin’izy ireo ireto mpitandro filaminana any an-toerana, araka ny baiko nomen’ny lehibeny azy ireo.
Malala Didier


