Vono olona mahatsiravina no nitranga tao amin’ny fokontany Ambinaniroa, distrikan’i Saonierana Ivongo ny alarobia lasa teo. Tovovavy iray no maty, namoy ny ainy vokatry ny vono sy ratra nataon’ny sakazainy azy. Vao 16 taona ity tovovavy namoy ny ainy ity ary ingahy ahiahiana fatratra ho nanao izao kosa dia 20 taona. Marihana fa efa miara-mipetraka izy ireo ao amin’ny tranon’ny ray aman-drenin-drazazavavy. Ny alin’io famonoana io no voalaza fa nisy fifamaliana be teo amin’izy roa ireto. Ny zandrin’ity namoy ny ainy ity no nanatri-maso ny zava-nisy. Araka ny voalaza dia fifamaliana vokatry ny hasarotam-piaro teo amin-dralehilahy no niantombohan’ny disadisa. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny fifamaliana ary tonga hatramin’ny fandraisana zava-maranitra. Tsy nahatsindry fo intsony mantsy ralehilahy ka namely an-dravehivavy. Nokapakapainy ny antsy ity sakazainy ka tsy navelany raha tsy namely tsy afa-nihetsika intsony. Izany zava-misy izany no hitan’ilay zandrin’ity tovovavy ity ary nampilaza avy hatranyny renin’izy ireo izy. Tonga haingana ity farany saingy indrisy fa trano foana sy rà mandriaka no hita ary ny vatan-janany nihoson-drà. Nitsoaka toy tsy teo mantsy ilay namono rehefa nahavita ny zavatra nataony. Nentina novonjena haingana nihazo tobim-pahasalamana ity vehivavy naratra ity saingy indrisy fa noho ny halalin’ny ratra nahazo azy sy ny fahabetsahan’ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Tomboka antsy maromaro no niantefa taminy hoy ny fizahana nataon’ ny mpitsabo : teo amin’ny hatony, teo amin’ny tendany ary teo amin’ny sorony, izay nitarika ny fahafatesany. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza.
m.L


