- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpombolava-Mahajanga II :  Jiolahy telo nodoran'ny fokonolona.

Ampombolava-Mahajanga II :  Jiolahy telo nodoran’ny fokonolona.

Raha ny fampitam-baovao voaray mikasika ny raharaha mafana tany amin’ny disitrikan’i Mahajanga faharoa ny zoma 07 aogositra taona 2026 lasa teo iny no asian-teny, dia tahak’izao ny zava-niseho: Dahalo efa-dahy no voamarina, fa nanafika mpivady avy any Amboromalandy, disitrikan’i Marovoay nividy omby tao amin’ny tanànan’Ampobolava, kaominina Ambanivohitra Mahajamba Usine, any amin’ny disitrikan’i Mahajanga faharoa. Voafira antsy nataon’ireo tsy mataho-tody izy mivady no lasa tamin’izany ny volabe 20 tapitrisa Ariary mahery saika hividianana omby. Niditra an-tsahetra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny fokon’olona ao Fenoarivo Besakoa, rehefa nahazo fampandrenesana an-tariby. Ka raikitra ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy, ary nisy tamin’ny fokonolona no naratra noho ny fifanjevona. Tafaporitsaka kosa ny iray tamin’ilay malaso nitondra ny volabe. Saingy nanohy ny hazalambo sy ny fikarohana azy ny Zandary. Taorian’izay, dia azon’ny fokon’olona sambo-belona ny telolahy tamin’ireo jiolahy no niaran’ny hatezeram-bahoka tamin’ny alalan’ny daroka sy fandoroana azy ireo. Vokany: Maty vokatry ny fitsaram-bahoaka ny malaso telolahy teto. Efa nahazo fitsaboana kosa ireo naratra raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

 Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici