- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMangabe-Betsiboka :  Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ny fametrahana ny biraon'ny Hanjary Raha Ty

Mangabe-Betsiboka :  Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny biraon’ny Hanjary Raha Ty

 Anisan’ny handraikitra hiantsoroan’ny fikambanana Hanjary Raha Ty eto Betsiboka, any amin’ny fokontany sy ny eny anivon’ny fiaraha-monina ny fandrindrana ny asa fiahiana ara-tsosialy mba hiteraka fanatsarana sy fampandrosoana ho an’ny kaominina tsirairay, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ka izay no tena atom-pisian’ny ny fananganana ny birao Hanjary Raha Ty, eny ifotony. Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka ny Zoma hariva lasa teo iny, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny birao sy ny fanomezam-pahefahana feno ho an’ireo tompon’andrakitra vaovao ao amin’ny fikambanana Hanjary Raha Ty na: ( H.R.T.), any Mangabe. Voalaza, fa ny ben’ny tanàna am-perin’asa any an-toerana no mpandrindra ny Disitrikan’i Maevatanàna mikasika ny H.R.T Betsiboka. Nifanindry an-dalana tamin’izao lanonana izao ihany koa ny fametrahan’Amdriamatoa RIVOMANANA, ho mpandrindra eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Mangabe. Tonga nanome voninahitra sy nanatrika izany tany Mangabe ny solotenan’ny biraon’ny rezionaly eto Betsiboka sy ireo tompon’andraikim-panjakana maro isan-tsokajiny, any amin’iny faritra iny, ary ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara, misahana ny disitrikan’i Maevatanàna.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici