Isany fomba iray tena manan-danja amintsika Malagasy ny forazaza na didim-poitra, arakaraky ny fomba isam-paritra. Izany no nahatonga ny fikambanana Hanjary Raha Ty eto Betsiboka, manao hetsika fiahiana ara-tsosialin’ny mponina. Anisan’izany ny hetsika forazaza faobe maimaimpoana niarahana tamin’ireo mpitsabo efa vofantina. 170 no isan’ireo nisitraka forazaza faobe maimaimpoana, tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka ny Zoma 07 Aogositra 2026 teo iny. Dimy taona ny farany kely tamin’ireo vita didim-poitra, ary efatra kosa ny 25 taona tamin’izany, raha 30 taona ny zokin’ny indrindra tamin’izy ireo. Araky ny fanazavana voaray tamin’ireo lehilahy dimy efa lehibe vao vita famorana, dia noho ny asa fivelomanana lavitra toerana no isan’ny antony izany. Voalaza fa nanao asa karama sy niandry omby tany amin’ny toerana lavitra izy ireo, ka tsy nahazo fampahafantarana ara-potoana momba ireo fotoana nahafahana nanatanteraka ny famorana teo aloha.
Ratantely




