Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny tambajotran-jiolahy iray, mpanao fanafihana mitam-piadiana. Miisa valo no voasambotra hoy ny zandary ka ny fito no tena tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Niantrano sy nialokaloka tao amina tomponandraikitra ambony amin’ny oniversite tsy miankina iray izy ireo raha ny voalaza. Nosamborina ihany koa ity farany. Raha hiverenena ny zava-nisy dia ny herinandro lasa teo no nisiana fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny : ny iray voalaza fa misy olon-dratsy mikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy. Niatrana sy nametraka vela-pandrika tao avy hatrany ny zandary. Kanjo tsy tao izy ireo no namely fa tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Ambohimanambola, saingy toerana tsy mifanefitra amin’ny kaominina Ambohimangakely ihany. Tao amin’ity farany ity no nahazo izay nilainy ireo olon-dratsy. Nirongo zava-maranitra sy vato izy ireo tamin’izany ary nanao ankeriny niditra tao amin’ny tokatranon’ny vehivavy iray. Vola aman’hetsiny maro no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany niaraka tamin’ny finday avo lenta. « Nihetsika avy hatrany ny zandary miasa amin’ireo toerana roa samy hafa ireo amin’ny paikady efa tsara rafitra amin’ny tranga toa izao ka dia ny Tobim-paritra Ambohimangakely sy ny Zana-tobim-paritra Ambohimanambola ka voasambotra avokoa ireo mpanafika rehetra » hoy ny fampitam-baovao azo. Tamin’ny famotorana sy ny fanadihadiana lalina nataon’ireo mpitandro filaminana moa dia fantatra fa ela no nikonokonona ity fanafihana ity ireto olon-dratsy ireto. Ary efa maty paika ny tetikadin’izy ireo saingy izao ravan’ny zandary izao. Efa natolotra ny fampanoavana ny voalohan’ny herinandro teo moa ny raharaha ary samy nadoboka am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy avokoa izy valo lahy taorian’ny fihenon’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Ny vesatra hanenjehana azy ireo : fikambanan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana ary firaisana tsikombakomba sy fampiantranoana jiolahy.
m.L




