Taorian’ireo hetsika nahavitàna nanavotra sy namongotra ireo tambajotra mpangalatra olona tany amin’iny distrikan’i Vaingaindrano iny dia mbola mitohy hatrany ny fametrahana ny fandriampahelamana sy ny famongorana ireo tontakely fanetriben’ny firenena. Fantatra ary fa jiolahy rain-dahiny amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy tompon’antoka tamin’ny vono olona mahatsiravina, izay nahalasibatra tompon’andraiki-panjaikana tany an-toerana, maty voatifitry ny zandary. Lehiben’ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Koko.
Ny voalohan’ny herinandro teo no nisy fifandonana tamin’ireo andian-jiolahy notarihin’ity olon-dratsy ity, tao amin’ny toerana antsoina hoe Anarabe, kaominina Lopary. Toerana isan’ireo fiafenan’ireo olon-dratsy ity toerana ity ary toeram-pivorian’izy ireo alohan’ny hanafihana. Tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary ny mahakasika izany toerana izany ary nandrafitra paik’ady avy hatrany izy ireo hilatsahana any amin’io toerana io. Tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa no fantatra fa miery tao amin’io toerana io i Koko ary efa manangona ireo mpiara-dia aminy, hanomana fanafihana hafa indray. Tsy nisy fisalasalana intsony ny zandary fa nilatsaka avy hatrany tany an-toerana izy ireo. Vantany vao nahatazana azy ireo lavitra anefa ireo olon-dratsy dia nivoaka ilay toerana sady rafitra nitsoaka sy ny nitifitra. Raikitra teo ny fifandonana satria voatery niaro tena ihany koa ireo mpitandro filaminana tety ankilany. Resy tosika ihany ireo andian’olon-dratsy, araka ny vaovao ao ary nisy iray tamin’ireo no lavo. Nisy ihany koa ny naratra saingy tafatsoaka. Tsy iza izay io lavo io, rehefa nojerena fa i Koko. Mbola hita teo aminy moa ny basiny : basy poleta vita gasy. Mbola mandeha kosa ny hazalambo hihakarohana ireo namany.
Marihina fa anisan’ny fanafihana miharo vono olona farany nataon’ny ekipan-dry Koko ny faran’ny volana aprily lasa teo, tao amin’ny fokontany Soasirana. Tsy vitan’ny nangalatra omby intsony izy ireo tamin’io fotoana io fa mbola nodoran’izy ireo ny tanana ary notifirin’izy ireo ho faty ny sefo fokontany tao an-toerana.
m.L




