- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN2-RN7 : Olona dimy namoy ny ainy tao anaty lozam-pifamoivoizana

RN2-RN7 : Olona dimy namoy ny ainy tao anaty lozam-pifamoivoizana

Nifanesisesy ny lozam-pifamoivoizana tamin’ireo lalam-pirenena tamin’iny faran’ny herinandro iny. Vao omaly, mpianaka roa lahy no namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny fiarabe tetsy Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito (LP7), ny môtô nentin’izy ireo. Andro vitsy talohan’io, ihany koa anefa dia efa nisy zaza iray voadona ary namoy ny ainy. Ankoatra izay mpianaka ihany koa, vehivavy iray sy ny zanany, no maty, nandritra ny fivadihan’ny fiara mpitatitra olona iray teo Maharidaza, Manjakandriana tamin’iny lalam-pirenena faharoa (LP2) iny.

Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia maromaro ihany ny lozam-pifamoivoizana niseho, indrindra fa tamin’iny lalam-pirenena fahafito izay vao avy nasiam-panamboarana iny. Ny andron’ny sabotsy teo, lozam-pifamoivoizana niisa telo nifanesisesy no nitranga. Teo amin’ny pk47+900, toerana antsoina hoe Kianja Nord, Behenjy. Fiara tsy mataho-dalana handeha ho any Ambatolampy no nivarina an-kady rehefa tsy voafehin’ny mpamaly vokatry ny fandehanana mafy. Vokany olona roa naratra. Ora vitsy taorian’izay, fiara mpitatitra iray indray, hihazo an’Antananarivo no nifandona tamin’ny fiara iray nifanena taminy. Voaktry ny fisongonana mampidi-doza. Olona dimy no fantatra fa naratra mafy. Ny tolakandron’ny sabotsy io ihany, teo Antanifotsy, fiara mini-bus avy any Antsirabe no nahadona zazakely telo taona niampita tampoka. Maty tsy tra-drano ity farany. Ary vao omaly, tamin’iny faritra iny ihany, mpianaka avy any Ambohijanaka, handeha hihazo an’Antsirabe, tamin’ny kodiaran-droa no nifandona tamin’ny fiarabe iray. Potika tsy nisy noraisina ilay môtô nentin’izy ireo ary niampatrampatra teny amin’ny arabe ny vatana mangatsiakan’izy mianaka nihosin-drà.

Ankoatra izay, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny indray, ny andron’ny sabotsy teo ihany dia fiara taxibrousse avy any Ambatondrazaka hihazo ny renivohitra no nivadika teo Maharidaza. Araka ny fampitam-baovao azo dia vokatry ny haratsian-dalana sy fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nanitsaka lavaka ilay fiara ary vaky ny « jante », niteraka tsy fahafezahan’ny mpamily ny fiara intsony ka dia io nivadika ambony ambany io. Maromaro ireo naratra tamin’ireo mpandeha ary indrisy fa renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany kely no maty tsy tra-drano tao anatin’izay loza izay.

Ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe mihitsy ny rehetra amin’izao ary maro ireo mindrina ireo lalam-pirenena, mba hialana voly kely sy ny rotoroton’ny renivohitra. Indrisy anefa fa misy amin’izy ireo no tsy tafaverina intsony noho ny hetraketraky ny sasany, fandehanana mafy, tsy fitandremana sy ny maro samihafa. Noho izany tena ilaina ny fahamailona sy ny fitandremana ho an’ny rehetra. Ary indrindra indrindra, tokony ho samy ho tonga saina ny rehetra satria « lahitokana ny aina » hoy ny fitenana ary ny tongasoa ihany no arahabaina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici