- Publicité -
dimanche, août 30, 2026
AccueilFaits-DiversIlanivato : Voasambotra ny lehilahy iray mpangalatra entana tao anaty fiara

Ilanivato : Voasambotra ny lehilahy iray mpangalatra entana tao anaty fiara

Lehilahy iray ahiana ho mpangalatra entana tao anaty fiara no voasambotry ny Polisim-pirenena, ny asabotsy tolakandro teny amin’ny faritra AMEA, Ilanivato. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahatsikaritra tovolahy iray nanao fihetsika mampiahiahy ny Polisy misahana ny fifamoivoizana. Nanatona azy izy ireo mba hanao fanamarinana, saingy raha vao nahita ny Polisy ilay lehilahy dia nandositra. Nanenjika azy ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana, niaraka tamin’ireo Polisy avy ao Ilanivato izay niasa tsy lavitra teo. Voasambotra ihany ilay lehilahy taorian’izay. Nandritra ny fisavana ny kitapony dia nahitana « auto-radio » iray, izay ahiana ho nongotana tao anaty fiara, fanalahidy maromaro, ary hareza fanapahana « fil ». Ireo entana ireo no nahatonga ny Polisy hiahiahy azy ho mpangalatra manam-pahaizana manokana amin’ny fanokafana sy fangalarana entana ao anaty fiara. Voatazona eo am-pelatanan’ny Polisy ilay voarohirohy ary mbola hanaovana famotorana savaranonando. Aorian’izany dia hatolotra ny Fampanoavana izy, araka ny voalazan’ny Polisy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici