- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsToamasina renivohitra : Tafatsangana ny vondrona tanora « Gasy Sahy Manova »

Toamasina renivohitra : Tafatsangana ny vondrona tanora « Gasy Sahy Manova »

Natsangana ary tafajoro soa aman-tsara ny vondrona tanora antsoina hoe GSM na « Gasy Sahy Manova », izay ivondroan’ireo tanora nitolona ny taona 2025 ary mahatsapa fa mbola marobe ny forongony mbola tavela anaty fanjakana ankehitriny.

Izay no antony hanaovan’izy ireo hetsika ny sabotsy izao eto Toamasina, ka iantsoan’izy ireo ny vahoaka rehetra mbola manana olana ara-tsosialy hifampiresaka amin’izy ireo. Ny tanjona mantsy dia ny tombontsoam-bahoaka ihany sy ialan’izao olana ara-tsosialy misaritaka ankehitriny izao. Maro ny zava-mitranga hita ankehitriny izay manana ny ambarany mikasika izany ny GSM, isan’izany ny fijoroan’ny VFS na « Vondrona fanavaozana an’i Madagasikara ». Izay no antony ilazan’ireto tanora GSM ireto fa tokony ho ravana ny antenimierampirenena, fa mitondra olana hatrany ny firenena amin’ny fivadiana palitao fanaon’ireo solombavambahoaka fa tsy vahaolan’ny firenena velively. Hambara ao anatin’ity famoriam-bahoaka kasaina hatao ny sabotsy izao ity ihany koa ny mikasika ireo fandravana trano, vokatry ny ady tany misy amin’izao eto Toamasina II, ka nandravana tranon’olona maro tao Tanandava Toamasina suburbaine. Tsy adino ao anatin’izao fihaonana izao koa ny mikasika ny raharaha FID izay ambaran’izy ireo ho lasa fampiadiana ny samy Malagasy dia ny tompon-trano sy ny mpanofa trano ao anatin’ny resaka fanampiana izay ataony ho an’ireo brava fananana tao anatin’ny rivodoza. Tsy ho ambanin-javatra ihany koa mikasika ny tsy fahandriampahalemana izay saika ahitana faty olona isan-kerinandro eto Toamasina. Araky ny namban’izy ireo ihany koa dia manana ny ambarany izy ireo mikasika ny hetsika ataon’ny CENI ankehitriny momba ity lisi-pifidianana ity, sy ny fisafidianana ny sefo fokontany farany teo, satria ireo olona tsy levon’ny vavon’ny olona eny amin’ny fokontany indra no napetraka hitantanana azy. Maro noho izany ireo fokontany mitaky fifidianana sefo fokontany eto Toamasina ny fokonolona ao aminy na mitazona ireo teo aloha hitantanana azy hatrany.

Ho hita eo ny ho vokatra izany famoriam-bahoaka ho ataon’ny vondrona tannora GSM eto Toamasina izany. Miantso ny rehetra mba hanohana ny antso ireto tanora, satria ny tombontsoan’ny be sy ny maro no katsahina ao anatin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici