
Anisan’ny hotanterahana amin’ity volana Aogositra hatramin’ny datin’ny faha 19 Septambra taona 2026 hoavy izao ny fiantsoana miaramila, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Noho izany dia hampifantarina hatrany, ireo Zatovolahy sy Zatovovavy teraka tamin’ny taona 1995 sy ny taona 2007, izany hoe, ireo feno 19 taona, ka hatramin’ny 31 taona mba ho tonga hanatrika ny fitsarana miaramila, amin’ireto toerana manaraka ireto, foibe: ( CEG Benoît Bevava), izay hitambaran’ny kaominina Maevatanàna voalohany sy faharoa, kaominina ambanivohitra Antanimbary, Kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ny datin’ny faha 24 Aogositra taona 2026 hoavy izao. ( Andriba an-tapon-tanàna): kaominina ambanivohitra Mahatsinjo ambony, Morafenoboana, Andriba, Antsiafabositra ny datin’ny faha 08 Septambra taona 2026. ( CEG Mahazomà ): kaominina ambanivohitra Maria, Bemokotrà, Mahazomà, ny datin’ny faha 15 Septambra taona 2026. ( CEG Tsararano ): kaominina ambanivohitra: Mangabe, Beratsimanina, Ambalajia, Berivotra 5/5, Tsararano, Ambalajanakomby, ary Marokoro ny andron’ny faha 19 Septambra taona 2026. Fampahafantarana ho an’ireo hitsarana miaramila, ho an’ny » Centre Maevatanàna » manokana, dia ao anatin’ny fefiben’ny lapan’ny faritra Betsiboka na eo amin’ny » Terrain de Rapport Région » no fanokafana amin’ny fomba ofisialy sy fitsarana miaramila, amin’io faha 24 Aogositra taona 2026 io, izay manomboka amin’ny 07 ora maraina. Saingy mitondra ny penina manga, mitondra kara-panondrom-pirenena Malagasy, ireo rehetra hanatrika izany. Tsara hofantatra kosa enefa, fa afaka mitsara miaramila avy ny olona, na aiza ny toerana sy kaominina misy azy, tsy miandry toeran-kafa. Eto am-pamaranana dia tsara ny mampahafantatra, fa tsy misy vola aloha ny fitsarana miaramila.
Ratantely




