- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Misy mitoraka ny fiara

RN4 : Misy mitoraka ny fiara

Ao anatin’ny haizina no misy mitoraka ny fiara izay sendra azy ireo. Raha mijanona dia avy ny olon-dratsy ary mandroba. Ny alin’ny alahady teo, fiara kely iray avy any Mahajanga ary nizotra ho any an-drenivohitra no niharan’izany. Vaky tanteraka ny fitaratra saingy mbola nahavita nanohy ny làlany ka tsy nijanona teo. Nanakana izay fiara izay akaiky azy teo ny mpamily ary nampitandrina ny amin’izay nanjo azy mba haha-mailo ny hafa. Mifamoivoy be ny fiara eny amin’ny RN4 amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao. Betsaka koa ny misafidy ny mandeha alina mba hialàna amin’ny fitohanana eo amin’ny fahatongavana any Mahajanga izay mampikaika ny maro. Ireny no matetika lasibatr’ireo olon-dratsy izay na manakan-dàlana na mitoraka. Izay mijanona dia azy ireo. Efa mba misy ihany ny mailo ary mifanentana sy mifanarakaraka eny an-dàlana. Ny mpitandro ny filaminana koa dia miezaka ny mametraka sakana amin’ny alina. Na izany aza anefa tsy afaka ny hameno ny RN4 izy ireo ary tsy maintsy ny tsirairay no samy mailo sy mizara vaovao avy hatrany raha vao mahatsikaritra zavatra hafahafa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici