- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBevilany – Maevatanàna : Dahalo telo no maty voatifitry ny zandary

Bevilany – Maevatanàna : Dahalo telo no maty voatifitry ny zandary

Anisan’ny tsy mandry andro sy alina ny mpitandro ny filaminana miasa any amin’iny faritra Bevilany iny, izay tarihin’ny lehiben’ny zanatobim-paritry ny zandarimaria ao an-toerana, manoloana ny ady atao amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Mba hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana, tsy misy tebiteby no tanjon’ireto farany amin’izany, araka ny toromarika nomen’ny lehibeny. Ny alatsinainy faha 17 aogositra taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana dia nahazo antso fanairana mikasika ny fisian’ireo dahalo valo lahy nanangona omby malia matory any anaty akata niisa 20 mipetraka ankara, ny mpitandro ny filaminana. Tsy niandry ela ny zandary, rehefa nahare ny fampitam-baovao nalaky. Nifanehatra tao amin’ny vavaranon’i Bekipoly ny zandary niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy sy ny malaso, ka raikitra teo ny fifanjevona tamin’ny alalan’ny fifampitifirana teo amin’izy ireo. Vokany: lavo noho ny fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana ny roa tamin’ireo jiolahy, azo sambom-belona ny iray efa feno ratra rotiky ny bala. Tafaporitsaka namela ny omby rehetra nangalariny ny dahalo ambiny. Teny an-dalana nitondran’ny mpitandro ny filaminana an’ilay dahalo hotsaboina eny amin’ny tombim-pahasalamana, dia namoy ny ainy vokatry ny rà very be loatra, ity farany. Efa natolotra ny tompony kosa ny omby roapolo raraka, nandritra ny sakoroka nisy. Tsy nisy naratra na namoy ny ainy ny zandary sy ny vatan-dehilahy avy ao amin’ny fokontany Bevilany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy mijanona amin’ny vokatra azo ny mpitandro ny filaminana, fa manohy ny fampandriana fahalemana ny tany ary mitohy tsy misy hataka andro ny fanarahan-dia an’ireo malaso nitsoaka, ataon’izy ireo. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa ho hentitra amin’ny paikady hisin’ny fandriam-pahalemana maharitra ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena vaovao eto Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici