- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRocade : Karohin'ny olona ireo nigafy moto

Rocade : Karohin’ny olona ireo nigafy moto

Nitroatra ny olona manoloana ny figafiana mpandeha moto iray, izay mpandeha moto roa lahy no tompon’antoka. Omaly dia nifanampy tamin’ny fizaràna ny vaovao ny teo anivon’ny tambajotra sosialy. Eo koa ny fanatsaràna ny sary azo ho an’ireo izay nanana fahaizana momba izany, mba hahitàna tsara bebe kokoa ny tavan’ireo nahavanon-doza. Inoana fa tsy ho ela araka izany dia ho sarona ireo ary handeha ny fanenjehana ara-pitsaràna. Raha hiverenana kely, nisy fifamaliana teo amin’ireo moto roa momba ny resaka fifamoivoizana. Efa noheverina fa nilamina ary efa samy lasa ny andaniny sy ny ankilany. Saingy tsy izay no tena nitranga fa narahin’ireo roa lahy avy ato aoriana ilay moto ary rehefa nifanandrify dia nodakaina tamin’izay. Nitsirara teny am-pandehanana ilay olona ary ny moto nisosa teo amin’ny arabe. Soa fa tsy nandeha mafy ny fiara taoriany fa raha tsy izany dia maty voahitsaka tao. Ireo roa lahy kosa nitsoaka tamin’iny rocade iny ary na nisy aza ny fiara niezaka nanenjika dia tsy afa-nanoatra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Teo kosa anefa ny nahazo vidéo ny zava-nitranga ary avy amin’iny no mifototra amin’izao ny fikarohana. Misy olon-tsotra izay tohina aza ary nilaza hanome valisoa ho an’izay manam-baovao. Etsy ankilan’izany dia afaka mandray andraikitra tanteraka ny mpitandro ny filaminana na tsy misy aza ny mpitory amin’ny fanokafana fanadihadiana (saisine d’office). Fikasàna hamono olona ampahibemaso no nitranga ary raha mbola miriaria any ny olona toa ireny dia azo heverina hamono olon-kafa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici