
Nahafantaran’ny maro azy ny fandraisana anjara mavitrika nandritra ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025. Izy ilay tovovavy matanjaka izay nitora-bato ireo mpitandro ny filaminana mbola niaro ny fitondràna tamin’izany. Ary tena tora-dehilahy ny torak’i Soa De Valiha. Nanomboka teo dia nisokatra ho azy ny làlana maro ary nitombo laza ihany koa teo amin’ny tambajotra sosialy. Lasa ireny « influenceuse » ireny i Soanomena A.P. Matetika mandeha izy rehefa misy ny lanonam-panjakana eto amin’ny firenena ary nanakaiky ireo mpitondra ankehitriny koa, indrindra ny etsy Atsimondrano. Tsy nionona tamin’izany i Soa De Valiha fa mba nijery ny hoaviny milamina koa ary nanapa-kevitra ny nandray anjara tamin’ny fifaninana hiditra ho polisy. Afaka soa aman-tsara izy ary tao anatin’ireo lisitry ny « agent de police » hofanina ao amin’ny sekolin’ny polisim-pirenena. Raha ny fantatra dia matianina amin’ny fifaninanana hazakazaka izy ary efa nanao tamin’ny klioba maro momba izany. Nahoraka nanomboka omaly ity vaovao momba ity tovovavy malaza nanomboka ny taon-dasa teo ity. Tao ny nanisy sira hoe mpitora-bato lasa polisy ary mety ho anjarany indray izany any aoriana any ny ho voatora-bato rehefa ao anaty tolom-bahoaka. Betsaka koa anefa ny nirary soa ho azy satria raha ny fahasahiany sy ny toe-batany voarafitry ny fanatanjahan-tena dia mamaly tsara ny filàn’ny polisy.
D.R




