- Publicité -
dimanche, octobre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsiranana 2 :  Gadra efatra tafatsoaka ny "camp pénal"

Antsiranana 2 :  Gadra efatra tafatsoaka ny « camp pénal »

Nanatanteraka asa tao amin’ny Camp pénal Andaloasy izy ireo no tafatsoaka ny alarobia teo. Nanomboka omaly no naparitaka ny filazàna fikarohana azy ireo. Araka ny vaovao voaray, fifandirana nateraky ny tsy fanekena ny fandaminana no niafara tamin’ny fikomiana sy fanafihana tamin’ny fitaovana maranitra. Naratra tamin’izany ny lehiben’ny Camp pénal sy ny lefiny, ka nentina notsaboina tany Antsiranana. Tsy ahiana ny ain’izy roa lahy ary mbola manaraka fitsaboana. Taorian’izany tranga izany dia nandositra ireo voafonja efatra. Efa natomboka ny fikarohana sy ny fanenjehana azy ireo, iarahan’ny tomponandraikitry ny fonja sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mitohy ihany koa ny fanadihadiana mba hamantarana ny antony sy ny antsipirian’ny zava-nitranga. Mandeha ny savahao momba azy efa-dahy ireo. Ao anaty sary etsy ambany ny mombamomba azy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici