Lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra tamin’ny tokantrano maromaro tao Ankadifotsy Befelatanana no voasambotry ny Polisim-pirenena, ny 19 Aogositra. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina no nahazo antso avy amin’ny olom-pirenena tsara sitrapo ny Polisy ao amin’ny Boriborintany fahatelo, Antaninandro, momba ny fisian’ny halatra tamin’ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Ankadifotsy Befelatanana.Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nahatratra lehilahy iray, izay voalaza fa voarohirohy tamin’ireo halatra. Voarakitra tamin’ny alalan’ny fakan-tsary fanaraha-maso napetraka teny amin’ireo tokantrano sasany ihany koa ny fihetsik’ity lehilahy ity.Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisaria Antaninandro ilay voasambotra, izay nanaovana fanadihadiana. Rehefa vita ny famotorana dia hatolotra eo anivon’ny fampanoavana izy, araka ny voalazan’ny Polisy.
D.R




