- Publicité -
dimanche, octobre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemarivo atsinanana : Zaza manana toe-tena varira dimy taona lasan’ireo jiolahy nirongo...

Bemarivo atsinanana : Zaza manana toe-tena varira dimy taona lasan’ireo jiolahy nirongo basy

Ilay Zaza varira.

Rehefa tsy nahita rirany tany amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara iny ireo mpanao ratsy, manoloana ny hetsika fampandriana fahalemana tany ataon’ny fitondram-panjakana, noho ny famonoana Zaza manana toe-tena varira any an-toerana izay somary nahazo vahana tany an-toerana tao ho ao, dia nivadika aty amin’ilan’ny andrefan’ny Nosy indray ny tsy mataho-tody. Raha ny vaovao voaray tamin’Atoa filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, dia ny alin’ny Alakamisy faha 20 Aogositra taona 2026 teo, tokony tamin’ny 12 ora teo ho eo no nahitana jioalahy folo nirongo fitaovam-piadiana sy niditra an-keriny ny tao amin’ny tokantrano iray nisy an’ilay Zaza vao dimy taona manana toe-tena varira, tao Bemarivo atsinanana an-tapon-tanàna, kaominina Maevatanàna faharoa, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany i Sandratriniaina, ilay zaza varira vao dimy taona. Mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ny fokon’olona sy ny mpitandro ny filaminana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici