
Anisan’ny tsy nikely soroka taorian’ny fangalana an-keriny an’ilay zazalahy kely vao dimy taona manana toetena varira ny zandarimariam-pirenena eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka, nanao fiaraha-mientana tamin’ireo fokonolona nandritra ny fanarahan-dia sy ny sakana mety ho lalan-kizoran’ireo malaso nitondra an’i Sandratriniaina an-keriny, ny alakamisy hifoha zoma teo, tao amin’ny fokontany Bemarivo atsinanana, kaominina Maevatanàna faharoa, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Omaly alahady, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina no naheno feon’ankizy nitomany, tao anaty akata nandritra ny sakana nataony ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy, tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Betsiboka. Nikasa hiampita eo amin’ny ny lalam-pirenena fahefatra, ao amin’ny fokontanin’Ambodimangan’i Betsiboka, mbola ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo olon-dratsy. Taitra ireto farany rehefa nahare izany ka nanatona ny toerana nahenoana feo nitomany, saingy efa nitsoaka nandositra ny dahalo enin-dahy. Navelan’ireo teo ilay zaza manana toetena varira. Nanohy ny fanenjehana azy ireo hatrany ny zandary. Nilaza ny tsy hilefitra amin’ny tranga tsy fandriam-pahalemana miseho ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Betsiboka, Atoa Rakoto-Harivelo Deraintsoarimasy, indrindra fa hoe tsy natao toeran’ny mpanao ratsy, hoy izy, ny ato anatin’ny faritra iadidiany. Tsy maintsy horaisina an-tanana ihany koa ny olona manana toetena varira mba hahafahana miaro azy ireo hatrany. Nanamafy kosa ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Atoa Soja Fulgence, nandritra fitsidihana an’ilay zaza azo velona, fa miisa 15 izao ny tranga hita natao tamin’ireo olona manana toetena varira teto amin’ny tany sy ny firenena malagasy tamin’ity taona 2026 ity, ka ny 13 tamin’izany dia maty avokoa noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody. Ny roa tamin’izy ireo ihany no mba velona soa aman-tsara. Efa noraisin’Atoa Soja Fulgence hatrany ny fikarakarana an’i Sandratriniaina mandra-pahatongan’ny Reniny avy any Bemarivo atsinanana.
Ratantely




