Nahitana fanafihan-jiolahy nitam-piadiana indray ny tao amin’ny fokontany Bemonto Ambarijeby kely, any amin’iny disitrikan’i Kandreho iny, izany hoe : ato anatin’ny faritra Betsiboka ny marainan’ny Alakamisy faha 20 Aogositra taona 2026 teo, tokon’ny tamin’ny 05 ora tany ho any. Dahalo niisa folo lahy no nanatanteraka ny asa ratsy tamin’izany no lasan’ireto hatrany ny omby 40 sy ny olona roa mpiaro ny faritra arovana, ao amin’ny alan’i Kasijy, izay nalain’ireo tsy mataho-tody an-keriny. Taorian’ny fanafihana nisy dia nanao ny fanarahan-dia, tsy nisy hatak’andro ny vatan-dehilahy sy ireo mambran’ny dinam-pokon’olona tao an-toerana. Raikitra ny fifandonana nisian’ny fifampitifirana rehefa nifanehitrany ny mpanara-dia sy ny malaso. Vokany : Navotsitr’ireo jiolahy ny olona roa nalaina an-keriny sy ny sasany tamin’ny omby nangalariny, ary ny iray tamin’ireo fokon’olona ihany koa naratra voan’ny balan’izy ireo. Manoloana ny zava-nisy dia tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandraisana andraikitra ny teo anivon’ny disitrikan’i Kandreho, fa nanampy tamin’ny fitondrana ny naratra voatifitra namonjy tombim-pahasalamana sy ireo olona roa avotra soa aman-tsara natolotra ny fianakaviany, taorian’ny fakana an-keriny. Saingy mitohy kosa hatreto ny fanohizan’ny mpitandro ny filaminana ny fanarahan-dia ho an’ireo jiolahy nitondra ny omby niisa 12 ambiny mbola eny am-pelatanany.
Ratantely




