- Publicité -
vendredi, octobre 16, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers"Vitre fumée" : Mianjera any indray ny rihitra

« Vitre fumée » : Mianjera any indray ny rihitra

Vao nitranga ny heloka bevava nahazo ireo tanora roa izay hita faty tetsy Ambohimanga-Rova dia raikitra indray ny fanamafisana ny fisavàna ireo fiara izay miloko mainty ny fitaratra. Toe-javatra izay somary efa adinodino kely teo aloha teo satria betsaka ny mpamily izay nitaraina rehefa terena esorina eo no ho eo ny fitaratra mainty, fitaratra izay matetika anefa efa izay ny lokony tany am-panamboarana azy. Toa ny fiara vita Koreana ohatra dia izay rehetra tonga dia efa mainty loko avokoa ny fitaratra, ireo anefa no tena betsaka mpampiasa ankehitriny ary manolo fitaratra ihany no hany voalohany. Misy ny mpitandro ny filaminana sasany no efa mitondra zava-maranitra ary mikiky avy hatrany ny fananan’olona araka ny baiko izay nomena azy ireo. Fepetra izay tsy manaraka fitsipika ary tsy ao anatin’ny lalànan’ny fifamoivoizana. Ny manome sazy na fampatsiahivina no tokony ho izy fa tsy mikitika ny fananan’olona avy hatrany. Misy koa ny tsy famelàna ny fiara hihetsika raha tsy miala ny loko mainty. Dia lasa bizna nandeha tampoka ny fanalàn’ny matihanina izany amin’ny sarany 50.000 Ar. Raha tsy manana io vola io izany dia matory eo na tafiditra hoazy any amin’ny làlan’ny kolikoly. Lasa izany no niainan’ny mpampiasa fiara, sady itangoronana toa ireny mpanao heloka bevava ireny rehefa sakanana. Efa lefilefy kely izany, toy ny fandraisana fepetra rehetra ihany izany mafana am-boalohany ny fampiharana azy, saingy niverina nahazo hery indray vao nitranga ny raharaha Ambohimanga-Rova. Betsaka ny velom-panontaniana raha tena izany tokoa no paikady mizotra any amin’ny fahitàna ny mpamono olona? Amin’ny lafiny iray koa mantsy ny zon’ny olona hivezivezy no toa voatohitohina rehefa voasakana isaky ny mihetsika. Ny fitaratra mainty izay mba mety hany sisa hiarovana ny vady aman-janaka ny fananana amin’ny olon-dratsy eny an-dàlana dia lasa nivadika tanteraka : raisina ho toa ny mpamono olona indray izay mitondra fitaratra mainty. Fantatra ny didy aman-dalàna mahakasika ny fampiasana azy ireny kanefa sao mba amin’izao fotoana izao no handalinana indray sy hanavaozana izany mba ho ny tombontsoan’ny daholobe sy mpampiasa làlana no jerena fa tsy ny olom-bitsy manam-pahefana izay efa tsy hisy sahy hikitika?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici