Taorian’ny fahombiazan’ny zandarimariam-pirenena miasa ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka sy ny vatan-dehilahy tamin’ilay zaza manana toetena varira afaka teo am-pelatanan’ireo jiolahy enin-dahy, dia tonga nitsidika ny trano fonenan’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena, sady mpiahy ny faritra Betsiboka, Ramatoa Sendra Nirina Rajaonarison, izay nitondra fanomezana ho an’i Sandratriniaina vao avy nalain’ny jiolahy an-keriny. Ontsa sy nalahelo ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny fitantaran’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, mikasika ny nanjo an’ity zazalahy kely mamana toetena varira notazomin’ireo tsy mataho-tody, tao anatin’ny telo andro ity. Taorian’izay dia nijery ny fotodrafitrasa sy ny olana misy ao amin’ny » CRNFP Maevatanàna Ramatoa ministry ny Fanabeazam-pirenena ny tolakandron’ny alahady faha-23 aogositra taona 2026 teo iny.
Ratantely




