Efa lasa lavitra mihitsy ny fisandohana ataon’ ny olona sasany ankehitriny, fa mahasahy misandoka fa mpampanoa lalàna sy mpisolovava mihitsy hono noho ny fitiavam-bola. Famoahana olona am-ponja no tena fisandohana ataony, ka olona avy amin’ny faritra SAVA ingahy Tsimirafy Samuel, mpisandoka izany tratra tao Maroantsetra tao amin’ny kaominina Antakotako faritra Ambatosoa. Milaza ny tenany fa izy no tompon’ny lalàna ka mahafaka olona am-ponja, mahatafiditra olona ho mpiasam-panjakana, mahavita taratasy ho an’ireo mpivarotra tsy manana izany,… ary efa nikasa hampiaka-bady zanaka olona tao amin’ilay kaominina nipetrahany mihitsy izy. Maro ireo efa voany tao anatin’izany fisandohana fanaony izany, ka tao ny efa nahazoany vola be, ary tao ireo efa nahazoany zavatra hafa. Nanao fanadihadiana azy ny zandarimariam-pirenena tao Maroantsetra, ka nilazany mihitsy fa io fisandohana io no asany fa tsy mamana asa izy. Natolotra ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana tao Maroantsetra ny tenany ary avy hatrany miandry ny fitsarana azy eo am-ponjan’ny Maroantsetra ny tenany. Nilaza ny zandary fa tsy tokony hatahotra mitaraina sy mitory ireo mpisoloky fantany ny vahoaka, satria namano akaiky ny zandary ao anatin’izany, mba tsy ho very vola na fananana hafa.
Malala Didier




