Vehivavy iray no hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa izay mifanandrify amin’ny tanjombato omaly. Raha araka ny tombana dia tsy famonoan-tena no nitranga. Vehivavy roa mantsy izy ireo no niaraka afakomaly hariva. Nisy olon-dratsy izay heverina ho mpanendaka izay nanenjika tampoka. Samy nanavotra ny ainy ary tao anatin’ny fikoropahana no heverina fa nisolifatra tao amin’ny reniranon’Ikopa ilay vehivavy ary dia natelin’ny rano tao. Ny maraina vao hita ny fatiny. Mbola azo sokajiana ho fahafatesana nateraky ny tsy fandriampahalemana ihany ity tranga ity. Maro loatra ny endrika isehoany, ao ny fanafihana ankitsirano, ny fitifirana fiara eny amin’ny lalam-pirenena, ny fisolokiana olona mba hahazoana ny fananany. Samy nitranga avokoa izany tao anatin’ny andro vitsivitsy izay.
D.R




