- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversRn4 : Fiara kely nivadika, olona roa maty

Rn4 : Fiara kely nivadika, olona roa maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray iny lalam-pirenena fahefatra (LP4) iny ny faran’ny herinandro teo. Fiara kely iray, nitondra fianakaviana avy niala sasatra tao an-drenivohitr’i Boina handeha hiakatra aty Antananarivo no nivadika teo amin’ny kilaometatra vitsy tsy hiditra an’i Maevatanana. Potika tanteraka ilay fiara, olona roa tao anatin’ilay fiara kosa no namoy ny ainy, raha naratra mafy ny ambiny. Tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro tany ho any, ny andron’ny sabotsy teo no niseho ny loza, raha ny angom-baovao azo. Vokatry ny fahavakisan’ny kodiarana aloha no voalaza fa nahatonga izany raha ny vaovao azo. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso kosa dia toa somary namantana sy tsy nety nivily io fiara io na dia nisy fiolanana maivana aza teo alohany. Hany ka namantana avy hatrany sy nivoaka ny arabe. Nandona hazo teo an-tsisin-dalana izy mialoha ny fivadibadihany, raha ny fitantaran’ny mpamily taorian’izy ireo. Nijanona avy hatrany moa ireo nahita ary niezaka namonjy ireto niharan-doza ireto sy nitondra azy ireo tao amin’ny hopitalin’i Maevatanana. Tao anatin’izany ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana, izay nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy sy nanokatra ny fanadihadiana. Raha iny LP4 iny manokana dia efa azo lazaina fa ny 80 isan-jato ny lalana dia efa tsara. Hany ka maro ireo mpamily no misetrasetra sy mandeha mafy. Tsy hampoizina velively anefa ny fiolanana tampoka, ny lavaka eny antsefatsefany eny ary indrindra ny hafanana be tsy laitra, manodidina an’i Maevatanana iny ho an’ireo mandeha atoandro, izay mety hampitsonika sy hamaky kodiarana mihitsy. Ilaina dia ilaina tokoa araka izany ny fitandremana sy ny fahamailoana eny an-dalana. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny fakàna aina ho an’ny mpamily. Antony iray anisan’ny mampitera-doza mantsy ny torimaso fotsy eny an-dalana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici