Ho fanamafisana ny asa sosialy filan’ny mponina dia tsy nijanona teo amin’ny hetsika forazaza faobe maimaimpoana nataony farany teo ny fikambanana Hanjary Raha Ty aty Betsiboka, fa nitodika tamin’ny fanabezana indray. Ny sabotsy 29 Aogositra 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny 10 ora maraina no tonga nanolotra loko milanja 80kg, tao amin’ny biraom-piasan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Maevatanàna ny fikambanana Hanjary Raha Ty Betsiboka, notarihin-dRamatoa mpandrindram-paritra Ravolahy Suilly Marielle Edith sy ny ekipa mandrafitra ny birao. Hoentina handokona ny EPP manara-penitra ao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra izany, hoy hatrany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana aty an-toerana no nanksitraka an’Andriamatoa VPAN Afakandro Christian, filoha mpanorina ny fikambanana, ity farany tamin’izao fihetsika mendri-piderana hita maso izao. Ahitana loko fotsy teinte mena sy maitso, ary rouleau miisa folo izany.
Ratantely




