
Ny sabotsy folakandro teo no najoro teto Toamasina ny fikambanana « Fanilon’ny Fanavazana an’i Madagasikara » na ny FFM. Natomboka tamin’ny fanaovana filaharambe niainga teo amin’ny fiangonana masindahy Paoly Mangarivotra ny hetsika, ary nifarana tao amin’ny kianja mitafon’i Toamasina, teo amin’ny kianja monisipaly teo aloha.
Tonga teto Toamasina mihitsy ny filoha nasionalin’ny FFM, Atoa Ravelojaona Andrianarivo Ruffin sy ireo mpikambana ao anatin’ny birao rezionaly manerana ny Nosy nihatrika izany ; ka napetraka tamin’izany ny mpandrindra rezionalin’ny fikambanana FFM Toamasina sy ireo mpandrafitra ny birao misahana ny Distrika fito ny faritra atsinanana. Araka ny didy tapaka ny 29 aogositra nataon’ny biaraon’ny FFM dia Atoa Manjoanatra Vonjy no natao mpitantanana ny mpandrindra rezionaly ny faritra atsinanana. Nampahafantarina nandritra izany koa ireo mpandrindra isaky ny distrika fito mandrafitra ny faritra atsinanana.
Nampahafatarin’ny tomponandraikitra voalohany ny FFM atsinanana dia ny tale jeneralin’ny Spat, fa nantsangana ny FFM noho izy ilaina amin’ny fametrahana an’i Madagasikara ho mandroso amin’izany, sy fanohanana ny tanora amin’ny asa sy andraikitra araka notakian’ny herintaona lasa izay, ary ho fampandraisana andraikitra ny Malagasy tsy ankanavaka amin’ny fampandrosoana ny faritra sy fokontany niaviany sy misy azy. Izay no mahatonga ny « Fanilon’ny Fanavaozana ho an’i Madagasikara » manana ny tanjona manaraka, dia ny fampijoroana ny FFM isaky ny fokontany sy distrika misy azy.
Tonga maro ireo vahoaka avy amin’ny faritra maro manohana ny filohan’ny fanavaozana amin’ny fanohanana ny fikambanana. Ny tanjona mantsy dia lavitra hezaka amin’ny ho avy ny Madagasikara, ka firenena mandroso, mivoatra, lavitra ny kolikoly no misy antsika afaka fotoana fohy. Natsangana ihany koa ny FFM tao Analanjirofo taorian’i Toamasina ny alahady teo, ka voafidy ho mpandrindra tamin’izany Atoa Razafimahefa Ravaka, izay mitarika ny fananganana ny birao ao anatin’ny Distrika. Mbola maro ny asa miandry aorian’ny lanonana fametrahana ny biraon’ny Fiakambanana teto Toamasina sy Alalanjirofo ity.
Malala Didier




