- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Nosantarina omaly ny fanamboarana ilay toerana fametrahana kaontenera

Seranan-tsambon’i Toamasina : Nosantarina omaly ny fanamboarana ilay toerana fametrahana kaontenera

Natao omaly ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana ilay fitobian’entana ao amin’ny « port sec » Tanandava, izay hamboaran’ny seranan-tsambo amin’ny alalan’ny orinasa Colas. Toerana manaraka ny fenitry ny fiantsonana fiara vaventy ity toerana ity amin’ny fahavitany, satria hita ao avokoa na toerana fialan-tsasatra ho an’ireo mpamily fiara vaventy, sy trano fandraisam-bahiny ho azy ireo, ary toerana fisakafoanana. Miara-miasa amin’ny banky iraisam-pirenena ny seranan-tsambo amin’ny fanamboarana izany, ka tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana samihafa mikasika ny fitaterana, sy  ireo teto Toamasina, ary ny filoha lefitry ny antenimierampirenena misahana an’i Toamasina. Efa nanome toky ihany koa ny seranan-tsambon’i Toamasina fa honerana ny fananan’ireo olona noravana trano tao amin’ny « Port Sec III », ka natolotra nandritra izany ny vola, 20 tapitrisa ariary ho an’ny tranovato sy ny vola 10 tapitrisa ariary ho an’ny tranohazo, nomena ireo olona tokony hahazo izany, izay niisa teo amin’ny 20 mahery teo ampahan’ny faharoa. Nozaraina ihany koa ny bokin-tany tokony ho azon’ireo olona nahazo izany koa izay nahatratra teo amin’ny 40 mahery teo. Tonga avokoa ireo olona nanana trano noravana tao amin’ny « Port Sec III » naka ny anjarany avy, na mbola eo aza ny olana mifandraika ity olana ara-tany ao Tanandava ity. Araka ny fantatra ihany koa dia hamboarina sy harenina ihany koa ilay lalana eny amoron-dranomasina Depot sy Canada, izay namboarina hanamora ny famoahana ireo kaontenera avy ao amin’ny seranan-tsambo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici