- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNanisana : Maty ny taxi-moto, nitsoaka ny 4x4

Nanisana : Maty ny taxi-moto, nitsoaka ny 4×4

Enina andro taorian’ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy, nampitain’ny olona akaiky azy fa namoy ny ainy ilay mpamily taxi-moto voadonan’ny fiara tsy mataho-dàlana tetsy Nanisana. Be loatra ny rà very ary nisy dona mafy nahazo ny faritry lohany ka ireo no nitarika ny fahafatesany. Mbola tsaboina kosa ilay olona nentiny, ramatoa mpanjifa taxi-moto. Etsy ankilan’izay, nanazava ireo fianakavian’ny maty fa tsy hita izay nanjavonan’ilay fiara tsy mataho-dàlana marika Nissan Patrol mena hatramin’izao. Izany hoe, mody nihainohaino kely teo amin’ny toerana nandomany ilay moto ny mpamily ka raha sahirana tao anatin’ny fitaterana ny naratra ny olona dia iny izany no nitsoaka tsimoramora niaraka tamin’ny fiara ny mpamily. Fijery ihany izay, satria tamin’io fotoana io dia nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Fantatra rahateo ny laharan’ny fiara ary tsy tokony hanahirana ny mpanao fanadihadiana ny famantarana ny tompony sy hahafantarana ihany koa ny mpamily ny fiara tamin’io fotoana io.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici