- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN34 : Taxi-brousse voatora-bato

RN34 : Taxi-brousse voatora-bato

Vaky ny fitaratra ary tsy vitan’izany fa mbola nisy olona iray naratra teo amin’ny lohany koa. Mpandeha iray izy io no vaky handrina vokatry ny tora-bato nataon’ny olon-dratsy teo amin’ny 8km tsy hiditra an’i Mandoto. Fiara fitaterana (Taxi-brousse) nizotra tamin’ny lalam-pirenena faha-34 ity voatora-bato ity. Azo heverina fa ny hanafika ny mpandeha tao anatiny no tanjon’ireo olon-dratsy raha sendra nijanona teo ilay fiara taorian’ny fahavoazana. Na izany aza dia tsy nijanona teo no ho eo ny fiara ary avotra araka izany ireo olona. Miverina indray izany ny tsy fandriam-pahalemana eny anivon’ny lalam-pirenena. Mila haparitaka manaraka taxi-brousse indray izany ny mpitandro ny filaminana mba hiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici