
Notontosaina ny zoma teo teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP), Ivato ny fametrahana galona polisy. Nisy tamin’ireo no niakatra ho Lehiben’ny Kaomisarian’ny Polisy, Kaomisera Polisy kilasy voalohany, ary manamboninahitry ny Polisy roa. Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel, no nitarika ny lanonana. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Andriamatoa Andriatsihala Nolave Luck Aristide, niaraka tamin’ireo manamboninahitra avy amin’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena. Nandritra ny lahateniny, dia nisaotra ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka noho ny fanomezana alalana ny fanatanterahana izao fisondrotana izao. Niarahaba ireo Polisimpirenena nahazo galona vaovao ihany koa ny Minisitra ary nirary soa azy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra vaovao izay napetraka aminy. Nohamafisiny fa tsy voninahitra fotsiny ny fisondrotana amin’ny laharana, fa mitaky vokatra sy fahombiazana eo amin’ny asa andavanandro. Notsindriany fa tokony hijoro ho olona mendrika, hiasa amim-pahitsiana, hanompo amim-panajana ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany ireo Polisimpirenena nahazo galona.
YvSam




