Efa ho 30 taona izao no nitohy teny anivon’ny fitsarana ny ady tany iray mahakasika tany mirefy 1 ha mahery ao Mandrosoa Ivato. Araka ny fanazavan’ireo mpividy, novidian’izy ireo tamin’ny olona iray io tany io, saingy tat? aoriana dia nisy olona hafa nilaza ho tompony. Nanomboka teo ny fifanolanana ka niakatra teny amin’ny ambaratonga samihafa teo anivon’ny fitsarana. Araka ny fanazavana nomen’i Rakotonirina Angelo, iray amin’ireo mpividy, dia efa nisy didim-pitsarana raikitra nivoaka momba ity raharaha ity. Nilaza izy fa nandresy tamin’ireo dingana maro nandalovan’ny raharaha izy ireo, ary ny Fitsarana Tampony no namoaka ny didy farany izay manome rariny azy ireo. “Efa tonga tany amin’ny PIL ny raharaha ary nandresy izahay. Ny mahagaga anefa dia ny Fitsarana Tampony no namoaka ny PIL, kanefa ny fitsarana ambaratonga voalohany indray no nanafoana izany didy izany. Hitanay fa tsy ara-dalàna izany ka voatery nampiakatra fitsarana izahay ary mbola nandresy,” hoy i Rakotonirina Angelo. Nambarany fa nivoaka ihany koa ny didy manome alalana ny fandravana ireo trano sy fanesorana ireo zavatra mipetraka eo amin’ilay tany, ho fanatanterahana ny didim-pitsarana. Araka ny fanazavan’ilay mpividy, nokasaina hotanterahina ny Alatsinainy 20 Aprily 2026, nanomboka tamin’ny 5 ora maraina, ny fandravana ireo trano eo amin’ilay toerana. Efa nomanina ny fanatanterahana izany ary efa voaloa, araka ny filazany, ny vola ilaina amin’ny asa. Ny alahady alina, ora vitsy monja talohan’ny fotoana voatondro hanaovana ny fandravana, dia nampandre azy ireo anefa ny vadintany fa nahazo antso avy amin’ny mpitsara izy, ka nisy baiko tsy hanatanterahana indray ny didim-pitsarana. “Efa ho avy hanao ny fandravana izahay no nisy baiko avy amin’ny mpitsara nanakana anay sy ny vadintany tsy hanatanteraka izany didy izany. Io indrindra no olana,” hoy hatrany i Rakotonirina Angelo. Araka ny fanazavany, didy nivoaka avy amin’ny Fitsarana Tampony no nokasaina hampiharina, saingy voasakana tamin’ny ora farany ny fanatanterahana azy. Manoloana izany toe-javatra izany, manao antso avo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ireo milaza fa tompon’ny tany, mba hijery akaiky ny raharaha sy hahitana ny marina ary ny rariny. Milaza izy ireo fa efa nandresy tamin’ny dingana maro teny amin’ny fitsarana ary manana didim-pitsarana raikitra manamarina ny maha-azy ireo ilay tany. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny, hoy izy ireo, dia ny amin’ny antony nahatonga ny fanatanterahana ilay didim-pitsarana ho voasakana tamin’ny ora farany.
Yv Sam




