Tsy nisy iray izay tsy nitaraina ny mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa. Nikatso tsy adiny iray, tsy adim-pamataranandro roa fa kosa tapakandro mahery. Izany no nanjo ireo fiara marobe nizotra teny amin’ny RN2 ny alin’ny alahady teo. Nanomboka tamin’ny fito hariva tany dia efa tsy nihetsika ny teo Mandraka, teo amin’ny fiolanam-be miendrika litera S. Ny niakatra, niakatra ihany. Ny nidina koa nidina ihany. Ny amin’ny sisin-dàlana betsaka kamiao niantsona. Vokatr’izany rehetra izany dia nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana. Fa ny tena tao ambadik’izay dia ny fisian’ny fanamboaran-dàlana amin’ny ampahany izay tsy fantatry ny olona. Teo ny ankamaroany vao nahita ary tsy nisy na inona na inona azo natao intsony fa samy niaritra. Ireo izay tsy nahafantatra hafa ka tratra taty aoriana dia mbola nisisika niditra ihany, na moto izany na fiara. Nanamafy tanteraka ny fahaseporan’ny làlana izany ary vao maika tsy afa-nihetsika. Na tapitra aza ny fanamboarana dia mbola ady mafy vao tafavoaka teo ny fiara marobe sy moto noho ny làlana feno tanteraka ary zara raha nisy azo ihorirarana. Ny toe-javatra toa izany dia mateti-pitranga eny amin’ny RN2. Matetika no misy kamiao mibahana rehefa nivoaka ny lalana, indrindra tao anatin’ny andro izay merika lava tato ho ato. Eo koa ny lozam-pifamoivoizana isan-karazany izay tsy vitsy ny mahafaty olona. Vao mipoitra ny iray amin’ireo tranga ireo dia avy hatrany dia mikatso RN2. Lalam-pirenena izay iankinan’ny toe-karena satria miala ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ny ankamaroan’ny entana miparitaka eto amin’ny firenena. Raha vao misy fahatarana arak’izany dia efa mitetaka akony lehibe. Ny vahaolana angamba dia ny fametrahana « task force » manokana izay mamaha olana isaky ny misy.
D.R




