Nitrangana zavatra tsy nampoizina sy nahatsiravina tao amin’ny Fokontany Morarano « carreau 03 » Toamasina renivohitra, androany maraina. Nisy disadisa teo amin’izy mivady ireto efa foatoana ela ela, fa androany vao tena nivadika ady saritaka ilay olana nitranga. Raikitra ary ny fifamaliana teo amin’izy mivady vokatra io olana io ; ka samy namoaka ny tao am-pony izy ireo, indrindra fa ilay vehivavy. Tena niafara taminy fitenenana ratsy mihitsy ilay ady araka ny fanazavan’ireo manodidina. Tsy nahazaka izany ilay rangahy vadiny ka namely ilay ramatoa tamin-javatra hitany teo akaikiny teo. Voadaroka mafy ilay ramatoa vokatra izany, ka niafara tamin’ny fahafatesany izany. Teo vao nikoropaka ny manodidina niditra tamin’ilay ady, nefa efa tsy nisy azo atao intsony. Teo vao nanenina ny nataony ilay rangahy ary nifona tamin’ny vadiny efa maty sy ireo fokonolona. Tonga ihany koa ny fianakavian’ilay ramatoa taorian’ny fahafatesany, izay tsy tsy lavitra fa eo amin’ny « carreau 04 » ihany. Nilaza moa ireto fianakaviana ireto fa tsy maintsy hitondra raharaha eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, mba hamaritana ny anton’ilay famonoana ny havan’izy ireo izao. Andrasana izany ny tohin’ny raharaha, fa hatreto dia nanenina tamin’ny nataony ilay rangahy vadiny ankehitriny.
Malala Didier




