Ireo mpanatitra mpianatra vao maraina ka nijanona teo an-toerana. Ireo mpiasa eo amin’ny manodidina ka mametraka fiara eny amin’ny faritry ny làlana. Maro ny fiara izay tratran’ny tsy fahafaha-mihetsika rehefa nasian’ny polisy kominaly ny vy be amin’ny kodiarana afak’omaly. Sahirana ireo olona satria vao manala izany dia efa miditra sazy hafa izay mavesatra kokoa. Tsy maintsy manatona ny tompon’andraikitra ary mandoa ny lamandy izay vao tonga ny mpamaha ny hidin’ny kodiarana. Tsy vita eo no ho eo izany ary dia mazava hoazy fa hikorontana ny fandaharam-potoana. Etsy ankilan’izay anefa, tena betsaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifamoivoizana ary isan’ny manempotra ny araben’ny tanànan’Antananarivo ary dia tsy misy indra fo intsony ny fiadidiana ny tanàna manoloana an’izany. Tsy ampoizin’ny mpametraka fiara amin’ny sisin-dàlana satria miovaova hatrany ny kartie izay hanaovan’ireo ny fanadiovana. Na izany aza anefa dia betsaka ihany ny mpamily no mametram-panontaniana momba ny fividianana ny « ticket » izay hahafahana manara-dalàna ary eo indrindra no mila fanentanana sy fampahafantarana betsaka satria misy toerana lavitra ny fitaovana fividianana izany kanefa ianjadian’ny « taquet d’arrêt ». Farany dia mila manitatra ny toerana hahafahana mametraka fiara eto an-drenivohitra satria na misy aza ny finiavana hanara-dalàna, ny toerana mihitsy no tsy ampy na tsy misy intsony. Lasa adin-tsaina tanteraka arak’izany ny fampiasàna ny fiara ho an’ireo izay manana izany. Samy mahatsapa izany ireo mpamily rehetra eto Tanà.
D.R




