- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto : Vaomieran’ny fandriam-pahalemana maty voatifitra

Mandoto : Vaomieran’ny fandriam-pahalemana maty voatifitra

Dimy lahy nitam-basy tsirairay avy no tonga nanafika ny tanàna antsoina hoe Amparihibara, eo anivon’ny distrikan’i Mandoto. Nafatotra ny olona efatra ary notifirina kosa ny lehiben’ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana antsoina hoe Remiandry. Nentin’izy ireo ny olona nafatotra ary torak’izany koa ny omby miisa dimy. Rehefa teny an-dàlana kosa dia navelan’izy ireo ihany ireo olona fa ny omby kosa nentiny. Nandefa hafatra tamin’ireo takalon’aina izay navotsotra ireo dahalo fa tsy azo arahina izy ireo ary ny omby dia hatao « findra-vala », izany hoe tsy hovonoin’izy ireo fa hanampiany ny isan’omby. Nilaza mazava ireo olon-dratsy fa voakarama izy ireo hanatanteraka ny vonoan’olona sy halatr’omby ary fanaovana takalon’aina. Azo heverina arak’izany fa disadisa eo amin’ny samy olona no ao ambadik’ity fanafihana izay vao maraina ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny enina ora, dia efa nitranga. Izany hoe vao mifoha ilay tanàna dia efa voatafika. Mbola mandeha amin’izao fotoana ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy izay tontosain’ny zandary avy ao Beakanga. Momba ny basy indray dia MAS 36 no nampiasan’ireo dahalo, basy izay mbola betsaka mpampiasa eo anivon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana sasantsasany. Mihorohoro ny mponina tao an-toerana raha nandre sy niaina ity fanafihana vao maraina ity. Mbola endriky ny fanjakan’ny dahalo any amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy ny toa izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici