Nanao ny hezaka rehetra nisamborana ny vadin’ilay ramatoa maty antsoina hoe « Sandrina » tao Morarano, ireo mpitandron’ny filaminana teto Toamasina. Sokajiana ho vono olona iany hoe heloka be vava no vitan’ity rangahy, natao izao fikarohana izao raha re soisoin-dresaka fa hitsoaka any Antananarivo ny tenany taorin’ny nahafaty ilay ramatoa vadiny vokatry ny adin’ny mpivady. Ireo fianakavian’ilay ramatoa sy ireo vahoaka tao Morarano tezitra taminy no nahatratra azy tamin’izany. Saron’ny vahoaka tao amin’ny « gare routière » Tanambao V ny tenany ny alakamisy 10 septambra maraina teo raha iny saika hitsoaka tany Antananarivo marina. Tamin’izao fahatrarana azy izao dia mbola nofatoran’ireo vahoaka ny tenany mba tsy afa-hitsoaka talohan’ny nakan’ny mpitandro filaminana azy, ary nentin’ireto vahoaka tao Morarano Pelle 21/11 namonoany ny vadiny. Efa misy ny famotorana azy tamin’izao famonoana ny vadiny izao, ka fantatra tamin’izany fa ny fahamamoan’ny vadiny matetika no anton’ilay daroka izay mafy tokoa ; nefa araka ny fanampim-baovao dia mamo lava ihany koa ity rangahy namono vady ity, ary izay no miteraka ady lava amin’izy ireo. Raha ny fanazavana hatrany dia mbola niara-natory izy mivady ny alina raha nampandroany ny vadiny noho loto be taminy tamin’ny fitaritarihany azy tamin’ny tany, ka vao hitany tsy niharina intsony ny vadiny ny marina dia niteraka tahotra taminy izany, ary nitsoaka ny tenany ka izao tratra izao noho ny tsy faneken’ny fianakaviany. Hiakatra fampanovana sy mpitsara mpanao famotorana ny tenany aorin’izao fiakarany mpitandro filaminana amin’ny famotorana izao.
Malala Didier




