Natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny « Calypso » teto Toamasina ny fandarahana « Miatrika » andiany fahatelo, fiaraha-miasan’ny PIC na « Pôles Intégrés de Croissance » sy ny FMFP na « Fonds Malagasy de Formation Professionnelle », izay fiaraha-miasan’ny faritra aty Atsinanan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ary ny fanjakana Malagasy, manomboka ao amin’ny faritra Alanjirofo hatrany faritra Atsimo atsinanana.
Efa nisy fandaharana « Miatrika » roa teo alohan’izao, izay nentina nampandrsoana sy nanampiana ny resaka fizahantany taorian’ny Covid no nanaovana sy nampiasana ny famatsiam-bola tamin’ny iraisam-pirenena tamin’izany. Ankehitriny efa tonga amin’ny andiany fahatelo ny « Miatrika », ka vola 1,7 tapitrisa Dollar ny famatsiam-bola azo tamin’izany, ao anatin’ny fandaharana PIC. Amin’izao andiany fahatelo izao dia mpiasa efa matihanina miisa 4.500 amin’ireo trano fadraisam-bahiny sy ireo trano fisakafohanana ary ireo mpiseradia, sy trano mpiasahana mpizahatany no manao fahazoana traikefa ny mandritra. Efa nampiofana ireo matihanina tamin’izany sehatra izany miisa 23.000 mpiasa ny PIC misy ny fandaharanasa « Miatrika » andiany roa voalohany. Amin’izao andiany fahatelo natomboka ny zoma 11 septambra teo ity mpiasa 4.500 no hofanina ao anatin’ny 18 volana ary mahazo ny marim-pahaizana mifandraika amin’izany. Kaominina mahatratra hatrany amin’ny 30 any no hahazo tombontsoa ao anatin’izany manomboka eto Toamasina renivohitra hatrany Vangaindrano, satria faritra 05 manomboka ao Analanjirofo – Atsinanana – Vatovavy – fitovinany – Atsimo-atsinanana no voakasiky ny fandaharanasa.
Nanambara ny minisitra ny fizahantany sy ny asa tanana, Rtoa Lily Rafaralahy Vololoniaina, teto Toamasina hatomboka tsy ho ela ihany koa ny fangadiana sy fanadiovana ny lakadranon’ny « Pangalana », satria ho any ivelany izy ato ato hitady ireo mpiara-miasa amin’ny fanjakana Malagasy ao anatin’izany, na teo aza ny fiaraha-miasa efa vita sonia tamin’ny fanjakana Malagasy sy Canada – Dubai. Tena misy tombony lehibe amin’ny fizahatany eto amintsika ny asa atao ao amin’ny lakadranon’ny « Pangalana »ity. Mandritra izany ihany koa no hiatrehany ny foara lehibe ho an’ny fizahantany any ivelany, izay voaasa mandritra izany ny fanjakana Malagasy hampiranty ireo vokatra misy.
Malala Didier




