- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Rova : Fiaram-panjakana nifandona tamin’ny moto

Ambohimanga Rova : Fiaram-panjakana nifandona tamin’ny moto

Ny alakamisy teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny toerana antsoina hoe Soavinimerina, ao anatin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Fiara V8 an’ny fanjakana, mitondra ny takelaka Wwt no nifandona tamin’ny kodiaran-droa marika Many izay notaingenan’ny olona roa. Samy naratra ireo farany ary nentin’ny fiara nandona avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Rehefa vita ka afaka nandeha ireo olona dia natao ny famerenana ny zava-nitranga niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana ary samy teo avokoa ny roa tonta. Afaka namonjy ny fodiany avy taorian’izay ary miandry ny tohin’ny raharaha dia ny ara-piantohana sy ny ara-pitsaràna izany. Raha tsy hoe tonga tamin’ny fifandaminana ny roa tonta ary vita amin’ny raharaham-pihavanana. Na izany aza aloha samy nandray ny andraikitra tandrifiny avokoa izay voakasika tao anatin’ny raharaha. Tsy nisy ny fitsoahana ary nisy aza ny fanavotana ain’olona tamin’ny alàlan’ny fitaterana azy ireo teny amin’ny toeram-pitsaboana.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici