Efa tao anaty fiara-manidina handeha hiainga mihitsy no nampidinina ny entana. Rehefa natao ny fisavàna dia bolongam-bolamena (lingot d’or) maromaro, nofonosina tao anaty sachet mainty no hita tao anaty ny valizin’ny mpandeha iray. Milanja eo amin’ny 6 kilao teo moa ireto volamena ireo tratra ireto, izay nokasaina haondrana any ivelany. Nidina teny an-toerana mihitsy moa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Mickael, niaraka tamin’ny mpikambana avy eo anivon’ny Governemanta vitsivitsy sy ny Tale jeneraly teo anivon’ny ACM, nijery ifotony ny zava-nisy. Araka ny nambarany dia ny avy eo anivon’ny Prezidansa no angady nanana sy vy nahitàna izao vokatra izao.
Nahitsy ny tenin’ny Filoha fa mbola misy ireo tsy maty manota ary mbola misy ireo tambazotra mpambotry firenena amin’ny alalan’ity fanondranana harem-pirenenana ity eto amintsika, indrindra fa eo anivon’ity seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ity. Tsy hanaiky mora izany izy, hoy ny fanambarany, ary hanaraka hatramin’ny farany ity raharaha fanondram-bolamena ity. Hanenjika sy tsy hamela mora izay rehetra voarohirohy sy tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tenany, na iza io na iza, araka ny voalazany hatrany. Raha ny fanazavana azo aloha hatreto dia tsy mbola fantatra ny isan’ireo olona voasambotra tamin’ity raharaha ity. Efa eny am-pelan-tanan’ny tompon’andraikitra kosa ny raharaha ary efa mandeha ny famotorana.
m.L



Misaotra e ! De tohizo hatrany ny mangarahara ka avoahy ampahabemaso ny anaran’oreo olona tafiditra amin’ny raharaha tahaka itony.