- Publicité -
mercredi, septembre 16, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsOniversite Vakinankaratra : Lalam-piofanana 15 no azo isafidianana

Oniversite Vakinankaratra : Lalam-piofanana 15 no azo isafidianana

Naharitra roa andro ny « salon de l’étudiant » natao tao amin’ny Oniversiten’ny Vakinankaratra nandritra ny faran’ny herinandro teo. Andiany voalohany ity nontanterahina ity satria raha ny fanazavana voaray dia roa taona teo izao no tena naha Oniversite azy.

Mahatratra 15 ireo lalam-piofanana azo isafidianana ao amin’ny Oniversitean’ny Vakinankaratra. Misy natao hifanaraka amin’ny zavamisy eto Vakinankaratra ireo lalam-piofanana ireo, dia ny fambolena sy fiompiana, misy koa ny sampana ho an’ireo tanora te hianatra sy handalina ny momba ny Indostria. Ankoatra izay ny teknolojia sy ny haisoratra, ny sampana toe-karena raha tsy hitanisa afa tsy ireo.

Nentina hanorona lalala ireo tanora vao nahazo na efa manana ny diplaoma bakalorea ny hetsika tahaka izao, hamantaran’izy ireo ny lalam-piofanana mety aminy, maro amin’ireo mpianara mantsy no diso safidy amin’ny lalam-piofanany tokony hisy azy ary matetika very taona iray na maro izy ireny, mazàna aza moa diso « filière » ny sasany ka lany fotoana sy vola fotsiny.

Manodidina ny 3000 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Vakinankaratra ao anatiny ny mpampianatra miisa 360,  ity farany no misahana azy ireo ka ny 60 monja no mpampianatra raikitra raha toa ka mpampianatra an-tselika kosa ny 300 ambiny.

Mandeha miandalana ny fametrahana fototra ara-pedagojika hoy Ononamandimby Antsonantenainarivony, filohan’ny oniversiten’ny Vakinankaratra. Tombony lehibe ho an’ny faritra ny fananana ny Oniversite eto satria tsy voatery hiakatra any Antananarivo intsony ny tanora afaka baka eto Vakinankaratra, ankoatra izay manakaiky ny ray aman-dreniny ireo tanora ireo ary  mihena ny fandaniana.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici