- Publicité -
mercredi, septembre 16, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLoza teo Ambohidahy : Nidoboka am-ponja ilay mpamily taxi-be

Loza teo Ambohidahy : Nidoboka am-ponja ilay mpamily taxi-be

Niakatra fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny mpamilin’ilay taxi-be izay nandona ary nahafaty olona dimy tetsy amin’ny fivoahan’ny tonelin’Ambohidahy ny herinandro lasa teo. Hotsaraina amin’ny 13 oktobra ny raharaha izay matetika dia vonoan’olona tsy niniana no anenjehana ny mpamily rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona. Heloka izay mety mampigadra telo volana ka hatramin’ny roa taona handoavana lamandy 200.000 ka hatramin’ny 6.000.000 ariary raha araka ny voasoratra ao anaty fehezan-dalàna famaizana. Isan’ny iankinan’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny valin’ny fitsirihana ara-teknikan’ny fiara tamin’io fotoana io. Tena tsy namaly intsony tokoa ve ny hisatra sa kosa mety nisy antony hafa? Nahafantatra ny tsy fietezana mialoha ve ny mpamily? Tena nisy tokoa ve ilay taxi-bisikileta nanapaka tampoka araka ny filazan’ny vavolombelona izay nilaza ho mpandeha tao anatin’ny fiara ary naneho hevitra tamin’ny tambajotra sosialy? Raha ny fitsirihana voalohany aloha ka nampitain’ny teknisiana dia tsy nisy olana ny hisatra. Hijanona hatreo ve anefa ny fanadihadiana sa kosa hojerena lalindalina kokoa ny momba ny fiara? Ny loza iny mantsy efa nitranga fa kosa misy lesona tokony hotsoahina tamin’ny tranga ary avy amin’ny alàlan’ny valin’ny fanadihadiana matotra mba tsy hiverenan’izany intsony. Raha ny tomban’ny maro mantsy dia betsaka loatra ny lesoka mitranga, indrindra momba ireny fiara fitateram-bahoaka ireny izay matetika mahazo solon’anarana ho « vatam-paty mandehandeha ». Eo amin’ny fitsirihana ve ny olana ka tokony hohamafisina? Eo amin’ny fanomezan-dàlana hitondra ve no mora loatra? Mila fanavaozana lehibe ny sehatry ny fifamoivoizana eto amintsika ary tena mila hisainana lalina satria manimba zavatra betsaka loatra.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici