Hafa kely ity tranga na halatra omby ataon’ireo « dahalo moderne » ao Brickaville ireto ankehitriny. Sady mangalatra omby izy ireo no tonga dia vonoiny any anaty ala ary haniny ny hena no sady entiny hamidy amin’ny mpihinana. Ireo indray izao ny fanaon’ireo dahalo mpangalatra omby any an-toerana sy manerana ny faritan’i Toamasina mihitsy amin’izao fotoana izao araka ny loharanom-baovao. Raha vao manara-dia ny tompon’ny omby very sy ireo mpitandro ny filaminana dia taolana omby sisa no hitany, fa ny nofony rehetra efa lasa namidy eny an-tsena na entina amidy mandehandeha avokoa. Nitrangan’izany halatra omby izany tao amin’ny tanàna atao hoe Zahamiorika kaominina Vohitranivona sy tao Managisa kaominina Brickaville tsy ela izay, ka nanao ezaka ny zandary nanao izay ahatrarana ireo mpangalatra omby moderne ireto. Nidina ifotony ary ireto zandary tao Brickaville ka naka ireo vaovao samy hafa sy nanao fanarahan-dia ireto dahalo moderne ireto. Araka ny fikaroham-baovao nataon’izy ireo olona nanakana fiara an-dalana tao Brickaville hita fa mitondra hena anaty gony, nefa sady tsy mpiompy no mpivarokena ihany koa. Efa nampilaza tamin’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa ny zandary fa raha mahita olona hafahafa sy mitondra zavatra anaty gony tsy mahazatra dia afaka miantso azy ireo na andro na alina. Niantso ny tao amin’ny zandary Brickaville ilay mpamily, ka sarona tao Sarimasina lalana hiditra ny tampon-tananan’i Toamasina ny sasany tamin’ireto mpangalatra omby, ary raha natao ny fanadihadiana dia voasambotra ihany koa ireo mpividy ny hena halatra sy ireo mpandray izany eto Toamasina ; izay mazana mivadika saosisy ilay hena. Velombolo ireo vahoaka any an-toerana tamin’ny fahatrarana ireto dahalo moderne ireto, satria tsy ho very omby intsony izy ireo manomboka izao. Hiakatra fitsarana aty Toamasina izay misahana an’i Brickaville ireto dahalo moderne tany an-toerana ireto, ary nisaotra ny zandary Brickaville ireto mponina noho ny fahatrarana azy dimy lahy ireto.
Malala Didier


