Tany mirefy 58 hektara, mitondra ny larahana hoe » Tsarabanja » no voalaza fa misy fifandirana ao amin’ny tanànan’Amborovy, fokontany Marofotra, kaominina Maevatanàna faharoa. Araka ny fanazavan’ireo mpandova dia manana antontan-taratasy ara-dalàna manamarina ny fananan-tany izy ireo. Na izany aza hoy ireto farany, dia mbola misy olona mibodo sy mampiasa ilay tany, ka lasa miteraka disadisa teo amin’ny samy mpandova sy ny olona roa lahy voalaza mpibodo. Etsy an-daniny dia anisan’ny mampiakatra ny feon’izy ireo ihany koa ny raharaha momban’ny omby nolazain’ny mpandova, fa nalaina nandritra ny fampiasana an’ilay tany. Araky ny tenin’izy ireo dia tsy mbola misy fepetra hentitra noraisina manoloana ireo olona tondron’izy ireo ho tompon’antoka amin’izao raharaha izao. Ankoatran’izay dia manamarina ny hisian’ny fanararaotam-pahefana ataon’olom-boafidy iray aty an-toerana ny mpandova, ka milaza mety hisy fiatraikany amin’ny fizotran’ny raharaha sy ny fahazahoana ny rariny. Noho ny olana misy, dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ny mpandova mba hijery akaiky sy hanamarina ny maha-ara-dalàna ireo antontan-taratasy momba ny tany, ary handraisana fepetra mifanaraka amin’ny lalàna raha misy fandikan-dalàna.
Ratantely


