- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndravoahangy ambany : Nitokona sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana

Andravoahangy ambany : Nitokona sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana

Ao anatin’ny fampiharana ny lalàna sy ho fanamoràna ny fivezivezin’ny fiara, hiadina amin’ny fitohana dia niroso tamin’ny fanalàna ireo mpivarotra amoron-dalana, nanomboka teo amin’ny « rond point » Rotsirotsy ka hatrany hatreny amin’ny Galana Ambodivona ny kaominina Antananarivona Renivohitra. Niteraka fahatezerana tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana teny an-toerana izany ary niafara tamin’ny fandoràna kodiarana sy fanakan-dalana.

« Avelao izahay hivarotra », « vahao ny olanay » … ireo no soram-baventy nentin’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto naneho ny hatezerany sy ny alahelony tamin’ny fanesorana azy ireo tamin’ny toerany teny amin’iny faritra Andravoahangy ambany iny omaly maraina. Miverimberina teny an-toerana ny hoe « avelao izahay hitady ny hamelonay ny ankohonanay … ». Nanomboka tamin’ny 11 ora teo ho eo no tsy nihanona intsony tamin’ny fitondràna soram-baventy ireto olona ireto fa niroso tamin’ny fanakanana ny lalana. Niafara tamin’ny fananganana barazy fako izany niaraka tamin’ny fandoroana kodiarana. Niteraka fitohanana izay tsy izy teny an-toerana ity hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana ity, izay tao anatin’ny ora fivaran’ny mpianatra rahateo.

Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo sy ireo pôlisy monisipaly niezaka nandamina ireo mpitokona ireto. Nanaiky ny fandaminana izy ireo ary vetivety ihany dia niverina tamin’ny laonina ny fifamoivoizana. Na izany aza anefa, nilaza ny tsy hijanona hanao fitakiana izy ireo ary mety mbola hitohy ho amin’ny androany raha tsy misy ny vahaolana ary voavaha ny zavatra takian’izy ireo.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici