- Publicité -
jeudi, septembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilCultureRaharaha famonoana dokotera teny Ambatolampy Tsimahafotsy : Miandrandra ny hivoahan’ny marina ny...

Raharaha famonoana dokotera teny Ambatolampy Tsimahafotsy : Miandrandra ny hivoahan’ny marina ny fianakavian’ny maty

Tao an-tatatra ambadiky ny trano fonenany no navelan’ireo namono nahafaty azy ny razan’i Dokotera Saholy.

Ny voalohan’ny volana avrily 2025, izany hoe herintaona sy tapany lasa izay, no nisy namono nahafaty an’i Dr Saholy, mpitsabo efa nisotro ronono, isan’ny mamiratra teo amin’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana nisy azy. Ankona tanteraka ny fianakaviana sy ny fokonolona satria tamin’ny fomba nampivarahontsana tanteraka no namonoan’ny olon-dratsy ity dokotera notsongoin’olom-bolo sy nahavita be teo amin’ny asa fitsaboana sy fampianarana, ary teo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana nisy azy ity.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, dia ny talata 1 avrily 2025 vao maraina, raha izy niomankomana handeha hivavaka toy ny nahazatra azy iny, no nisy namono tao ambadiky ny trano fonenany teny Soavinarivo, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, i Dr Saholy. Ny vadiny, izay nisy nanidy tao an’efitranon’izy ireo ary novohain’ny mpanao trano nifanila tamin’izy ireo, no nahita azy efa tsy nisy aina intsony. Razana feno ratra vokatry ny vely famaky teo amin’ny lohany sy ny vatany manontolo, nokendaina tamin’ny tady ary voatampim-bava, no hitan’ny fianakaviany tao an-tatatra ambadiky ny trano. Very nandritra io fotoana io ihany koa ny moto scooter iray sy finday telo.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia olona valo no voasaringotra amin’ity raharaha vono olona ity. Napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny efatra tamin’izy ireo, raha naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy kosa ny efatra hafa, ka anisan’izany ny mpiandry tanàna iray niasa tao amin’ity mpitsabo nisy namono ity, saingy tsy niverina nandray ny asany intsony herinandro mialoha ny tranga famonoana olona.

Rahampitso alakamisy 24 septambra 2026 no hiakatra fitsarana ity raharaha vono olona ity. Miandrandra fatratra ny hivoahan’ny marina amin’izao raharaha izao ny fianakavian’i Dr Saholy. Harahintsika eto ihany ny fivoaran’ny raharaha.

Hanitra R.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici