Nahita ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny tao Toamasina II ny « Madagasikara Progrés », ka nanampy ara-pitaovam-pianarana tao amin’ny fokontany Ambalatenina kaominina Sahambala. Kahie sy penina no natolotra ireto mpianatra nandritra ity hetsika ity ; natao ny hetsika mba entina hanampiana ireto mpianatra noho ny fahasahiranana indrindra taorian’ny rivodoza nitranga farany teo teto Toamasina I sy Toamasina II. Velom-bolo ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nahazo izany, na efa miditra an-tsekoly aza ireo mpianatra eto Madagasikara. Tena zava-dehibe ho an’ny vahoaka ny fanampiana, satria toy izao mihitsy no ilaina ankehitriny fa raha tsy izany miantona amin’ny fianarana ireo mpianatra ao Toamasina II amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny « Madagasikara Progrés » Atoa Ramarolahy Jean Joseph fa «Tsy misy manana ny ampy eto, fa soa ny mifanampy amin’ny kely hananana ». Namaly izany ny lehiben’ny fokontany sy ny tangalamena ary ireo mpanabe niatrika izany, fa tena ilain’ny mponina ireto fanomezana, satria miantoka ny ho an’ny zanaka izy ireo amin’ny tohin’ny fianarana natao hatrizay. Fanohanana ny ankizy sy tanora malagasy ankehitriny ny hetsika toy izao.
Malala Didier


