Pitik’afo nahazo tafo-bozaka no nampirehitra ny trano iray manontolo. Ny andron’ny zoma lasa teo, nitrangana hain-trano mahatsiravina tao Betsimizara, fokontany Antsorindrana, kaominina Anjozorobe. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any no niseho ny loza. Tombonana ho afo kitay nahazo ny tafo hita tamin’ny bozaka maina no nahatonga ny afo hoy ny teo anivon’ny zandary izay tonga avy hatrany tany an-toerana niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo. Talohan’io fotoana io mantsy dia voalaza fa nisy ankizilahy nitanika tsaramaso tao amin’ny tokantrano niaingan’ny afo. Ny pitik’afo tamin’io no nahazo ny tafo. Vetivety dia nihitatra ny afo ary nandevona ny trano iray manontolo sy ny entana tao aminy. Tsy vitan’io ihany anefa fa mbola nihitatra tamin’ny trano iray teo akaiky ny afo noho ny toetr’andro ary nandevona izany ihany koa. Somary elaela ihany vao maty tanteraka ny afo, izay samy nifandrimbonan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana no namono azy, ary voafehy tanteraka izany fotoana ora iray taorian’izay. Marihana fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity hain-trano ity, raha ny vaovao azo hatrany saingy zary lasa lavenona sisa ireo nosasarana, izay tombanana any amin’ny dimy tapitrisa Ariary any ho any niaraka tamin’ireo vola tao anatiny. Marihana fa trano biriky mitafo bozaka ireo may ireto ary olona sivy mianaka no tsy manan-kialofana. Mandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ny eo anivon’ny zandary amin’ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.
m.L


