
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonany ny polisim-pirenena Malagasy, ka tsy diso anjara tamin’izany ireo polisy miasa ato amin’ny fitaliavam-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka no nentina nanombohana hetsika fanamarihana ny fotoam-pivavahana tao amin’ny » Aumônerie CHRR Morafenokely Maevatanàna » ny Alarobia faha-23 septambra taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, nanasana ny tomponandraiki-panjakana maro isan-tsokajiny aty an-toerana, ary ireo fikambanana namaly ny antso. Nitohy tamin’ny fanomezan-drà maimaimpoana ny marainan’ny alakamisy 24 septambra taona 2026 ny hetsika fankalazana, izay tarihin’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka sy ny lehiben’ny Kaomisaria eto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-65 taonan’ny polisim-pirenena mandritra ity volana septambra ity izany. Saingy hofaranana amin’ny hazakazakan’ny firaisankina rahampitso alarobia faha-30 septambra taona 2026 ny datin’ny fanamarihana.
Ratantely



